17/09/19 - COMMUNIQUE OFFICIEL - FANAMBARANA OFISIALY

Fidèle à sa volonté de respect et considération, de création de valeur à long terme, la STAR a toujours agi dans le but d’honorer son engagement pour le développement de Madagascar. Dès 1976, à travers sa filiale MALTO, la STAR a eu comme objectif de valoriser le Vita malagasy à travers des produits authentiques. Ce savoir-faire malgache fait la fierté nationale, dépassant les frontières de notre Grande Île.

Des dizaines de milliers de familles d’agriculteurs nous font confiance et collaborent avec nous chaque année afin que les produits STAR soient à la hauteur de la satisfaction de nos consommateurs. Ce partenariat se traduit par un contrat paysannat, une formation et un accompagnement technique, ainsi que par le préfinancement des intrants, gage de la confiance entre la STAR et les agriculteurs. MALTO a développé également depuis quelques années, un partenariat avec des fournisseurs locaux pour d’autres matières premières, afin que les produits STAR soient de réels produits à valeur ajoutée pour le pays. Nous avons contracté, via un cahier des charges incluant le volet environnemental, auprès de fournisseurs locaux pour rajouter le maïs parmi les matières premières locales nécessaire à la production des boissons STAR. Aujourd’hui, cela représente 13 000 tonnes de maïs par an. Nous avons toujours été transparent sur l’existence et la provenance de ces matières premières, tant à travers nos communications que lors des salons et foires durant lesquels nous avons exposé et présenté MALTO.

Toutefois suite à des publications récentes, mettant en cause l’approvisionnement en maïs de STAR, nous tenons à préciser quelques informations :

La consommation de maïs par la STAR représente 2 % (13 000 tonnes) de la production totale annuelle de Madagascar (490 000 tonnes sur l'année, sur base des chiffres officiels du Trésor Public (source : site web)).
La STAR est certifiée ISO 9001 ; ce qui implique des obligations sur le management de la qualité de nos produits depuis l’achat des matières premières jusqu’à la commercialisation. Chacun de nos fournisseurs dispose d’un cahier des charges spécifique et rigoureux. Celui-ci stipule clairement que les matières premières ne doivent en aucun cas ni provenir d’aires protégées et ni nuire à l’environnement de quelque manière que ce soit. Nos 4 fournisseurs s’approvisionnent sur tout le territoire malgache.

------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Tao anatin’ny efapolo taona niorenan’ny Malto, izay isan’ny rantsan’ny STAR, dia tanjona imasoan’ny STAR hatrany ny fampiroboroboana ny vokatra Vita Malagasy amin’ny alalan’ireo vokatra azo antoka, ary vokatry ny fahaiza-manaon’ny malagasy. Ireo karazam-bokatra ireo dia reharehan’ny malagasy rehetra. Mifanojo tanteraka amin’ny soatoavina voizin’ny STAR : ny fifanajana, ny fiandrianana ny mpanjifa ary ny fampitomboana hatrany ny fiari-karena maharitra, ary koa ny politika RSE, sy ny fampiasam-bola isan-karazan ;  ny STAR dia nanatanteraka hatrany ny asany tao anatin’ny fitsinjovana ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Porofon’izany ny fisian’ny Malto. Fianakaviana tantsaha mpamokatra anarivony maro no miara-miasa ary mametraka ny fahatokisany amin’ny STAR isan-taona, mba hanomezana fahafampo hatrany ireo mpanjifa. Io fiaraha-miasa io, dia ampiarina amin’ny alalan’ny taratasy fifanaraham-pambolena amin’ny tantsaha, ny fanofanana sy fanaraha-maso teknika, ary koa ny famatsiana mialoha ny akora hoenti-mamokatra, izay manamarika ny fifampitokisana eo amin’ny STAR sy ireo tantsaha mpamokatra.  Tao anatin’ny taona vitsivitsy ihany koa izay, dia nanitatra izany fiaraha miasa izany ny STAR, ho an’ireo akora fototra hafa, mba ho vokatra mampitombo ny fiarikarena ho an’ny firenena tokoa ny vokatra STAR. Nanao fifanaraham-piarahamiasa tamin’ireo mpamatsy izahay, tamin’ny alalan’ny bokin’andraikitra, ka voarakitra ao anatin’izany ny fanajàna ny tontolo iainana, mba hanitàrana ny famatsiana ny katsaka izay isan’ny akora fototra ampiasaina amin’ny fanamboarana ireo vokatra STAR. Amin’izao fotoana izao, dia mahatratra telo arivo sy iray alina taonina isan-taona izany vokatra katsaka ampiasaina izany. Hatrizay, dia mangarahara hatrany ny STAR mikasika ny fiavian’ireo akora fototra ampiasaina, na tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ankapobeny izany, na koa ireo hetsika ara-toekarena toy ny « Salon » sy ny « Foire », ka nanomezan-danja hatrany ny Malto.

Etsy andanin’izay kosa, tao aorian’ny fanambarana samihafa, mikasika ny fiavian’ny katsaka ampiasan’ny STAR, dia manao ireto fanamarihana manaraka ireto izahay :

Raha jerena ny tarehimarika ofisialy avy amin’ny tahirimbolam-panjakana (Tranonkalan’ny Trésor public), mahatratra 5 hetsy taonina isan-taona ny famokarana katsaka manerana an’i Madagasikara. Telo arivo sy iray alina taonina, izany hoe 2 isanjaton’izay ihany no ampiasain’ny STAR.
Ny STAR dia manana ny mari-pankasitrahana : ISO 9001, izay mitaky fenitra manokana eo amin’ny fitantanana ny kalitaon’ny vokatra rehetra, manomboka any amin’ny fividianana ireo akora fototra izany, ka hatrany amin’ny famarotana ireo vokatra. Ireo mpamatsy vokatra aminay, na iza izy na iza, dia manana ny bokin’andraikitra entitra avokoa.  Voarakitra mazava ao anatin’izany fa tsy azo atao mihitsy ny mampiakatra vokatra avy amin’ny faritra voaaro, ka manimba tontolo iainana, na amin’ny endriny ahoana na ahoana. Manerana an’i Madagasikara no hakan’ireo mpamatsy,  ny vokatra ilain’ny STAR.

https://www.facebook.com/plugins/video.php?href=https%3A%2F%2Fwww.facebo...

La STAR s’engage à ne divulguer aucune information personnelle recueillie sur ce site par le biais des formulaires de contact à quiconque n’appartenant pas à la STAR