Ny tanjon’ity Fitsipika mifehy ny fitondran-tena ity dia ny hampahafantatra ireo Mpiasa rehetra ao amin’ny DF Holding SA sy ny sampana misy azy ny fitsipika sy fomba fitondran-tena tokony harahina amin’ny asa andavanandro, mba hahafahan’ny tsirairay mandray anjara amin’ny fanajana izany any amin’ireo firenena rehetra anaovan’ny Vondrona asa.
Ity Fitsipika ity dia mamaritra ireo fitsipika tsy maintsy arahina ary manazava ohatra amin’ny toe-javatra mety hiseho amin’ny Mpiasan’ny Vondrona, saingy tsy afaka mandrakotra ny toe-javatra rehetra izy.
Noho izany, ny fanombanana sy ny fahaiza-manavaka ananan’ny Mpiasa tsirairay dia tokony ampiharina amin’ny fanatanterahana ny asany, araka ireo foto-kevitra voalaza ato amin’ity antontan-taratasy ity.