Mampiasa cookies amin’ity tranonkala ity izahay mba hanatsarana ny traikefanao mitsidika ny tranonkalanay.
FANOMEZANA HO AN’I MOROMBE TAORIAN’NY FANDALOAN’NY RIVO-DOZA ALVARO
11 December 2025
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza tropikaly ALVARO tany am-piandohan’ny taona sy ireo orambe nisesy izay namely ny nosy tato ho ato, dia maro ny fahasimbana voarakitra tany amin’ny faritra maro eto Madagasikara.
Manoloana izany zava-misy izany, ary ho fanajàna ny soatoavina fihavanana sy fifanampiana, dia naniry ny STAR ny handray anjara amin’ny ezaka iombonana ho amin’ny fanarenana ireo toerana simba, ka nanolotra fitaovana hananganana sekoly dimy (05) rava tanteraka tao amin’ny kaominina Morombe.
Ny fanolorana ofisialy ireo fitaovana dia natao ny 01 Febroary tany Morombe, niaraka tamin’ny fandraisan’anjaran’ny talen’ny CISCO, solontenam-paritra, ary ny solontenan’ny STAR avy ao amin’ny agence commerciale Tuléar.
Asa sosialy hafa ho fanohanana dia kasaina hatao ihany koa ho an’ireo faritra manodidina an’i Manakara sy Ihosy.
#star #HiaraHatratraNyKintana #starMifampitsinjo
Partager cet Article
Autres actualités
17/12/2025
Ho fankalazana ny ANDRO MANERA...
17/12/2025
Mpandresy – Prix Pierre Cast...
17/12/2025
Fitsangatsanganana goavana Fre...
17/12/2025
Fihaonam-baovao Fresh – “P...
Agenda
Restez à l'affût des événements organisés par STAR ! Consultez notre agenda pour ne rien manquer des événements à venir