Mampiasa cookies amin’ity tranonkala ity izahay mba hanatsarana ny traikefanao mitsidika ny tranonkalanay.
Herinandro miavaka natokana ho an’ny fahasalamana miaraka amin’ireo kintantsika andavanandro
11 December 2025
Iray amin’ireo asa maha-olona tohanan’ny STAR isan-taona, na ara-bola na ara-pitaovana, ity hetsika ity. Saingy miavaka indrindra noho ny fandraisana anjaran’ireo mpiara-miasa maherin’ny telopolo, nanolo-tena hanampy amin’ireo asa isan-karazany mandritra ny iraka.
Ny fandraisana ireo antontan-taratasy ara-panjakana sy ny fanarahamaso ny marary aloha sy aorian’ny fandidiana no andraikitra lehibe nentina tamin’ity hetsika ity. 131 tsiky vaovao no nisy ny anjara birikinay, asa fiahiana manan-danja indrindra ho anay.
Miara-mandroso isika, manova ny fiainany olona.