Mampiasa cookies amin’ity tranonkala ity izahay mba hanatsarana ny traikefanao mitsidika ny tranonkalanay.
Jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’i Andranovelona
17 December 2025
Nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa valo (8) ho an’ny Fokontany Andranovelona ny STAR. Talohan’ity fanomezana ity, dia ny jiron-trano vitsy an’isan’ny mponina ihany no niantoka ny jiro amin’ny alina.
Ankehitriny, ireo andrin-jiro vaovao ireo dia tsy jiro fotsiny, fa lasa fiarovana fanampiny amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny alina, ary manome fahafahana ho an’ny mponina hanohy ny asa aman-draharahany hatramin’ny hariva.
Satria mandeha amin’ny herin’ny masoandro izy ireo, dia mirehitra ho azy ireo jiro ireo rehefa maizina ny andro, ary mitohy hatramin’ny maraina. Niara-niasa tamin’ny Fokontany ny STAR mba hamantarana ny toerana tena mety hametrahana azy, ka ahafahan’ny mponina tsirairay mahazo tombontsoa amin’ny jiro.
Hatramin’ny fidirana ka hatramin’ny fivoahan’ny tanàna, dia voazava ny arabe isan’alina, na dia misy fahatapahan-jiro aza.
Efa 53 taona izay no nisian’ny STAR tao Andranovelona, ary amin’ny alalan’ny orinasa SEMA Eau Vive, dia manohana hatrany ny fampivoarana ny tanàna amin’ny alalan’ny fanohanana ny filàn’ny mponina. Amin’ny ankapobeny, ity fanomezana farany ity dia manamafy indray ny fanaovan-tsoa sosialy ataon’ny STAR ho an’ny vahoaka malagasy, ao anatin’ny politika RSE an’ny orinasa.