Fizarana bodofotsy ho an’ny marefo ara-pivelomana

17 December 2025

Mialoha ny fankalazana ny Fetin’ny Fahaleovantena sy eo am-piandohan’ny vanim-potoanan’ny ririnina, dia nanatanteraka fanentanana momba ny fizarana bodofotsy ho an’ireo fianakaviana sahirana ny STAR, miaraka amin’ny Konsilà Monako, tao anatin’ny Fokontany 10 eto Antananarivo. Amin’ity taona ity, ireo fianakaviana marefo indrindra no voakasik’ity hetsika ity : reny tokan-tena, mpitondratena, olona marefo ara-pahasalamana sy ara-pivelomana manana zaza latsaky ny 5 taona, avy amin’ireo Fokontany : Ambohimanandray, Ankorondrano Andrefana, Ambodiakondro, Ambohibao Iavoloha, Analakely, Ambodifakarana, Andranonahoatra, Itaosy, Ambohitrarahaba, Sabotsy Namehana. Bodofotsy 1 000 no voazara tamin’izy ireo. Ity asa sosialy ity dia Star no namatsy vola manontolo, ary ny Konsilà Monako no nanampy tamin’ny lafiny lozika sy fizarana eny amin’ireo Fokontany rehetra voakasika. Ho an’ny tranga voalohany, dia ho tanterahina ihany koa ity hetsika ity amin’ireo faritra rehetra misy ny toeram-pamokarana STAR : fizarana bodofotsy ho an’ny Faritra Ambony, ary fizarana PPN ho an’ny faritra hafa. Mbola ao anatin’ny fankalazana ny 70 taona STAR, dia voafidy araka ny fepetra napetraka ny toerana 70 isaky ny faritra. Amin’ny alalan’ity hetsika ity, dia manamafy indray ny STAR ny fanaovan-tsoa ho an’ny fiarahamonina, ary manohy manao hetsika isan-taona ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina. Tafiditra ao anatin’ny sehatra sosialy amin’ny asa RSE ataon’ny STAR ity fandraisana andraikitra ity.
Partager cet Article

Autres actualités

Card Image
17/12/2025
Ho fankalazana ny ANDRO MANERA...
Card Image
17/12/2025
Mpandresy – Prix Pierre Cast...
Card Image
17/12/2025
Fitsangatsanganana goavana Fre...
Card Image
17/12/2025
Fihaonam-baovao Fresh – “P...

Titre section

Description Description Description Description Description DescriptionDescription Description Description Description Description Description Description Description. DescriptionDescriptionDescription

Voir tous