Mampiasa cookies amin’ity tranonkala ity izahay mba hanatsarana ny traikefanao mitsidika ny tranonkalanay.
PPC 2023 – Tiava no nahazo ny loka voalohany
17 December 2025
Nandritra ny fihodinana famaranana tamin’ny 06 Jolay, dia nanolotra sy niaro ny tetikasany teo anatrehan’ny jury lehibe avy amin’ny Fonds Castel ireo roa tonta farany, dia Kassava sy Tiava.
Tiava, tetikasa tantanin’i Anna Élodie Volazara, no nahazo ny Loka Voalohany, ka mahazo fanohanana ara-bola 15 000 € sy fiahiana manokana Kassava, an’i Stéphan Ammiel Randrianaivo, kosa no nahazo ny Loka Faharoa, miaraka amin’ny fanampiana ara-bola 10 000 €. Hahazo fanofanana sy fiahiana ihany koa izy roa tonta.
Marihina fa ny tetikasa Tiava dia mifantoka amin’ny famokarana sy fivarotana dibera pistache, raha ny Kassava kosa dia manova mangahazo ho lafarinina tsy misy gluten amin’ny fomba tanana.