11 December 2025
Dingana lehibe vitantsika tamin’ity volana oktobra ity ! 🎉
✅ Ny fanolorana ny mari-pankasitrahana ISO9001 – ISO14001 – ISO45001 nohavaozin’ny STAR avy amin’ny SGS dia fotoana tena manan-danja tamin’ity volana ity.
⭐️ Tao anatin’ity taona ity tokoa, ny mari-pankasitrahana ISO14001 (rafitra fitantanana ny tontolo iainana) sy ISO45001 (rafitra fitantanana ny fahasalamana sy ny fiarovana eo amin’ny asa) dia nampiharina ihany koa amin’ny asan’ireo agence STAR, indrindra amin’ny sehatry ny fizarana sy ny fivarotana zava-pisotro.
💪 Ny fahombiazana tamin’ity dingana ity dia manamafy ny maha-lohalaharana antsika ary maneho mazava ny fandraisan’anjaran’ny Fitantanana sy ny mpiara-miasa rehetra amin’ny andraikitsika manoloana ny tontolo iainana, na mivantana na an-kolaka.
🤝 Amin’ny fampiasana rafitra fitantanana iray miray (Système de Management Intégré), dia omena lanja lehibe ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa, ny mpanome tolotra ary ny mpanjifantsika. Mandrisika ihany koa izahay ny fiarovana ny sakafo sy ny fanajana ny kalitao amin’ny heviny mivelatra indrindra.