Mampiasa cookies amin’ity tranonkala ity izahay mba hanatsarana ny traikefanao mitsidika ny tranonkalanay.
STAR voamarina amin’ny alalan’ny rafitra 4 iraisam-pirenena
17 December 2025
Amin’ny alalan’ny sampana QHSE (Kalitao, Fahadiovana, Fiarovana ary Tontolo iainana), dia nandray andraikitra ny STAR hanao ny dingana rehetra ilaina hahazoana fanamarinana iraisam-pirenena. Tanjon’izany ny hanaporofo amin’ny mpanjifa fa ny kalitaon’ny asa ataon’ny mpiara-miasa rehetra ary ny maha-izy azy ny vokatra vokarin’ny STAR dia mifanaraka amin’ny fenitra takiana maneran-tany.
Tohiny, ny ozinina rehetra mamokatra zava-pisotro dia voamarina amin’ny FSSC 22000, rafitra eken’ny Global Food Safety Initiative (GFSI). Mandrakotra ny lafiny kalitao (ISO 9001), tontolo iainana (ISO 14001) ary fahasalamana sy fiarovana amin’ny asa (ISO 45001) ny rafitra fitantanana an’ny STAR ankehitriny.
Ireo rafitra fanamarinana efatra azon’ny STAR ireo dia manaporofo fa mahay sy afaka mifaninana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fahaiza-manao malagasy. Ao anatin’ny fikatsahana fanatsarana tsy tapaka, dia manamarika ihany koa ireo fanamarinana ireo ny ezaka lehibe sy ny fandraisan’anjaran’ny mpiara-miasa STAR tsirairay amin’ny sehatra rehetra.