Mampiasa cookies amin’ity tranonkala ity izahay mba hanatsarana ny traikefanao mitsidika ny tranonkalanay.
STAR TOUR TANA 2023
17 December 2025
Nanomboka ny Zoma 23 Jona ka nifarana ny Alahady 25 Jona ny STAR TOUR TANA.
Tamin’ny andro voalohany dia nisy ny kaonseritra niarahan’i Mad Max sy Ambondrona. Ny ampitso kosa dia Lion Hill sy Ceasar no niaka-tsehatra. Ary tamin’ny andro farany, Ljo, Samoëla ary Stéphanie no namarana ny lanonana.
Nandritra ireo telo andro, nifanesy ny hetsika sy ny fanentanana isan-karazany, anisan’izany ny tombola izay nahafaly olona maro. Ny fepetra handraisana anjara dia ny fividianana tavoahangy Queen’s 65 cl roa, izay nanome zo hiditra amin’ny tombola. Ireo olona voasafidy tamin’ny fisarihana dia nahazo zava-pisotro mifanaraka amin’ny lanjan’izy ireo.
Nisy ihany koa ny lalao kermesy izay nahafaly na ny tanora na ny lehibe. Ireo hetsika rehetra ireo dia natao ho fankalazana ny Fetin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara, tao anatin’ny hafaliana sy firaisankina.