Fiarovana ny tontolo iainana
Ny fiarovana ny tontolo iainana dia iray amin’ireo andry fototra amin’ny politika RSE an’ny STAR. Ao anatin’ny tetikasa Kopakelatra, ny STAR dia manamafy ny fandraisany andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fametrahana rafitra vaovao fanangonana sy fanodinana tavoahangy plastika efa nampiasaina. Ny tanjona lehibe amin’ity tetikasa ity dia ny fampihenana ny fandotoana vokatry ny fampiasana plastika, ny fampandrosoana ny faharetana sy ny andraikitra ara-tsosialin’ny orinasa (RSE), ary ny fanairana ny vahoaka ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fanodinana ny akora efa niasa.