THB
Logo THB
LABIERA

THB

Soa ny fiarahantsika

Araho THB amin’ny tambajotra sosialy

Hatramin’ny taona 1958, THB dia mariky ny maha-Madagasikara velona, marika mampihetsi-po ary rohy mampiray sy mankalaza ny Fihavanana. Ny tavoahangy tsirairay dia mitantara tantara iray : tantaran’ny fihaonana indray, ny hehy ifampizarana, ary ireo fotoana ahatsapana fa tsara kokoa ny fiainana rehefa iainana miaraka.

Mihoatra lavitra noho ny labiera, THB dia Love Mark marina, miampita amin'ny taranaka maro ary mampiray tanteraka amin’ny fomba amam-panao sy ny fiainana andavanandro. Izy no endriky ny fihavanana amin’ny harenany rehetra : manomboka amin’ny hariva iarahana amin’ny namana ka hatramin’ny fety an-tokantrano, amin’ny fotoana tsotra madinika ka hatramin’ny fankalazana lehibe, eo foana izy mampitambatra.

Ny tsirony tokana sy tena izy dia maneho ny fanahin’ny Malagasy : mafana fo, marina ary tsy hay hadinoina. Saingy mihoatra noho ny tsiro, traikefa iray iainana i THB — fihetseham-po, fanasana hifampitohy, hifampizara ary hamorona fahatsiarovana maharitra.

Tsy sotroina fotsiny i THB. Iainana izy.
Izy ilay kofehy tsy hita maso mampiray ny olona, mariky ny kolontsaina velona sy ny fihavanana tsy misy fepetra.

“Ny fisotroana toaka tafahoatra dia manimba ny fahasalamana. Misotroa ampahamendrehana.”

Ny karazana labiera
THB
THB
THB
THB
THB
THB