Manana paikady RSE mazava sy hentitra

Amin’ny fananana politika RSE miorina amin’ny paikady sy drafitra asa mikendry ny famoronana sanda maharitra ho an’ny vondrona rehetra voakasik’izany, dia tanterahina amim-pahendrena sy amin’ny fitovian-jo ireo hetsika. Ny tanjona dia ny handray anjara amin’ny fanatrarana ny ODD (Objectifs de Développement Durable) amin’ny fomba mitondra vokatra mazava sy azo tsapain-tànana eo amin’ny fiainan’ny mponina eo an-toerana.

Ny vokatry ny hetsika ataonay amin’ny tarehimarika


300K

Zanaka hazo karakarainay ao anatin’ny zana-kazo Malto

35K

Tokantrano nahazo tombontsoa tamin’ny fametrahana fotodrafitrasa iraisana

900+

Mpiasa nandray anjara tamin’ny World Clean Up Day tamin’ny toerana STAR

3500

Marary nahazo fanohanana (fanafody, kitapo samihafa, fanentanana…)

Tetikasa sy hetsika

TOE-KARENA SY TONTOLO IAINANA

Antananarivo

Tokony ho 300 000 zanaka hazo karakaraina ao amin’ny zana-kazo Malto 160 000+ hazo volena manerana an’i Madagasikara 90 t tavoahangy plastika voaangona tamin’ny tetikasa Kopakelatra 135 fitoeran’entona napetraka tamin’ny faritra 6 : Antananarivo, Antsirabe, Moramanga, Toamasina, Mahajanga ary Sainte-Marie 6 000 olona no nampahafantarina nandritra ny “tours de quartiers” isan-taona 900+ mpiasa nandray anjara tamin’ny World Clean Up Day

FANABEAZANA

Antsirabe

10 000 mpianatra nahazo kit scolaire sy fanamboarana na fananganana sekoly (Antananarivo, Antsirabe, Ihosy, Toliara, Ambatolampy, Andranovelona, Antsiranana) 5 000 mpianatra nampahafantarina ny tetikasa Kopakelatra 20 mpianatra mahazo vatsim-pianarana isan-taona amin’ny alalan’ny “étoile montante” sy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Konsilà Monako

SOSIALY

Antsirabe

35 000+ tokantrano nahazo tombontsoa tamin’ny fametrahana fotodrafitrasa iombonana : bôro fantsakana, jiro an-dalambe, fanarenana tohodrano, lavoara iombonana, sns.

FAHASALAMANA

Antananarivo

3 500 marary noraisina an-tànana (fanafody, kitapo, fanentanana, sns.) 20+ fiaraha-miasa isan-taona ho fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza